Philippians 2

1Raha misy fampaherezana ao amin’i Kristy, raha misy fampiononana avy amin’ny fitiavany, raha misy firaisana ao amin’ny Fanahy, raha misy famindrampo lehibe sy fiantrana, 2dia ataovy feno ny fifaliako amin’ny fisainana tahaka izany, amin’ny fananana fitiavana mitovy, amin’ny firaisana am-panahy, ary amin’ny fananana tanjona mitovy.

3Aza manao na inona na inona amin’ny fitiavan-tena na fanandratan-tena foana. Fa amin’ny fanetren-tena kosa dia mihevera ny hafa mihoatra ny tenanareo. 4Tokony tsy hitady izay mahasoa ny tenanareo ihany ny tsirairay aminareo, fa izay mahasoa ny hafa ihany koa.

5Mihevera tahaka ny fisainana izay tao amin’i Kristy Jesosy ihany koa. 6Efa nisy araka ny endrik’Andiamanitra Izy, fa tsy nihevitra izany fitoviany amin’Andriamanitra izany ho zavatra hifikirana Izy. 7Ny mifanohitra amin’izany, nofoanany ny tenany. Naka ny endriky ny mpanompo Izy. Ary niseho ho tahaka ny olombelona Izy. Ary hita nitovy tamin’olombelona Izy. 8Nanetry tena Izy ary tonga mpankatoa hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesan’ny hazofijaliana!

9Noho izany dia nasandratr’Andriamanitra avo dia avo ihany koa Izy. Nomeny ilay Anarana izay ambonin’ny anarana rehetra Izy. 10Nataony izany mba ho amin’ny Anaran’i Jesosy no handohalihan’ny lohalika rehetra, ny lohalik’ireo izay any an-danitra sy ety an-tany ary any ambanin’ny tany. 11Nataony izany haneken’ny lela rehetra fa i Jesosy Kristy no Tompo, ho voninahit’Andriamanitra Ray.

12Noho izany, ry malalako, tahaka ny ankatoavanareo hatrany, tsy eo amin’ny fanatrehako ihany fa mihoatra lavitra aza ankehitriny rehefa tsy eo aho, dia asehoy amin’ny tahotra sy hovitra ny famonjena anareo. 13Satria Andriamanitra no miasa ao aminareo mba ho vonon-kanao no sady hiasa ho an’ny fifaliany ianareo.

14Ataovy tsy am-pitarainana na fiadian-kevitra ny zavatra rehetra. 15Manaova toy izany mba ho tonga zanak’Andriamanitra tsy misy tsiny sady marina, tsy misy kilema ianareo. Miasà toy izany mba hamirapiratanareo tahaka ny fahazavana eo amin’izao tontolo izao, eo afovoan’ny taranaka meloka sady maditra. 16Mifikira mafy amin’ilay Tenin’ny fiainana mba hananako antony hireharehàna amin’ny andron’i Kristy. Fa amin’izany dia ho fantatro fa tsy very maina ny nihazakazahako ary tsy very maina ny niasàko.

17Fa na dia ahidina ho fanatitra eo amin’ny sorona sy fanompom-pinoana aza aho, dia mifaly aho, ary miara-mifaly aminareo rehetra aho. 18Ary tahaka izany koa no hifalianareo, ary miara-mifaly amiko ianareo.

19Fa manantena ao amin’i Tompo Jesosy aho fa handefa an’i Timoty any aminareo faingana, mba hahery ihany koa aho rehefa fantatro ny zavatra momba anareo. 20Fa tsy manana olona hafa mitovy toe-tsaina aminy aho, izay tena manahy ny aminareo. 21Fa izy rehetra dia mitady ny tombon-tsoany, fa tsy ny zavatr’i Jesosy Kristy.

22Fa fantatrareo ny fahamendrehany, satria tahaka ny zaza manompo ny rainy, no nanompoany niaraka tamiko tao amin’ny filazantsara. 23Koa manantena ny handefa azy aho raha vao hitako hoe manao ahoana ny fandehan-javatra aty amiko. 24Fa matoky ny Tompo aho fa ho avy any faingana koa ny tenako.

25Fa mieritreritra aho fa ilaina ihany koa ny mampiverina an’i Epafrodito any aminareo. Ralahiko izy sy mpiara-miasa no mpiara-miady, sady mpitondra hafatrareo izy no mpanompo amin’izay ilaiko. 26Fa tra-pahoriana mafy izy, ary manina ny hiaraka taminareo rehetra izy, satria renareo fa narary izy. 27Fa tena narary izy ka efa saika maty. Fa namindra fo taminy Andriamanitra, ary tsy taminy irery, fa tamiko koa, mba tsy hananako alahelo ambonin’ny alahelo.

28Koa dia amim-paharisihana lehibe rehetra no handefasako azy, ka rehefa hahita azy indray ianareo dia mba hifaly ka dia ho afaka kokoa amin’ny fanahiako aho. 29Raiso ao amin’ny Tompo Epafrodito miaraka amin’ny fifaliana rehetra. Hajao ny olona tahaka azy. Fa ho an’ny asan’i Kristy no nanakaikezany ny fahafatesana. Fa nanao vy verin’ny ainy izy hanompoana ahy mba hanatanterahany izay tsy afaka nataonareo tamin’ny fanompoana tamiko.

30

Copyright information for PltULB